VETSO MAMATON'ALINA
Nahoana kosa hono itony alina
No toa mamohafoha ny fitiavana
Izay miafin'any amin'ny lalina
Tsy hita avangavana
Mitepotepo mafy izany foko izany
Mangitakitaka
Mangitakitam-pijaliana
Ny saiko verivery sy lasana vinany
Manembona manimanina 'lay olon-tiana
Raha vao noseraniny monja
Dia taitra ny foko e nanonja
Ny foko dia babon'ny fony
Ka tsy afa-mivadika intsony
Andrianary RATIANARIVO
               (
geocities.com/thetropics/shores)                   (
geocities.com/thetropics)