VOHITRA MANGA
Ny fahitako anareo manjary ahatsi-arovako ny any
Ny any aminay, miverina ao an-tsaina avy hatrany
'Lay vohitra manga, raha vao tazana manangasanga
Avy any ambadika lavitra, manaitra sy mahafinaritra.
Mba vangivangio matetitetika raha azo hatao
Ny andro hihaonana saro-bidy, ambarako anao
Dia ho tsaroana avy hatrany, fa hay tsy dia very tsy akory
Ny fifankahitana manala ny sorisory.
Fidiny ve? hoy hianao, ka lasa mivarina ari-tsiraka
Ny fitadiavana mahazaka maniraka
Ny tsy andehanana mody, mafy loatra ka aza manody
Ny hany fanantenana dia mbola hiverina any an-tanàna
Ludger
               (
geocities.com/thetropics/shores)                   (
geocities.com/thetropics)