VOROM-POTSY MIARA-DIA
Zany tiana, ka ny tiako
Dia hitako ihany, ô re roy
Tsy miova, tsy mifindra
Miara-mamindra, miangola, mitositosy
Eo anilan'ny tiana
Eo akaikin'i lala
Mba tohano, ka tantano
Raha mila hirona, ô re roy
Ento mora, ento mora
Miara-mamindra, miangola, mitositosy
Eo anilan'ny tiana
Eo akaikin'i lala
Vorom-potsy miara-dia
Vorondreo tsy mifanary
Voromanga mahalala havana
Miara-dia, miara-dia, miriaria
Thérack
               (
geocities.com/thetropics/shores)                   (
geocities.com/thetropics)