ZO TSY MITOVY


Eritreritra ny ahy
Nahoana kosa ho'aho
Mifanosika misisika
Ny ratsy, ny adim-piainana

Fa tena mila ho kivy aho
Tofoka mafy eny aho e
Zotra midina ny fiainana
Tsy mety ho lanja-miakatra

Eritreritra ny ahy
Nahoana kosa ho'aho
Misy zo tsy mitovy
Fijery zarazara vilana

Fa tena mila ho kivy aho 
Tezitra mafy eny aho
Mitongilana ny fiainana 
Miongana mikiroso fahana

Eritreritra ny ahy
Tsy maintsy hiova ho'aho
Hifanosika hisisika
Ny tsara, ny fahafahana

Aiza ve dia isan'andro vaky izao
Hanadaladala anay ianao
Lanja-miakatra ny fiainana
Tereo ho tonga lafatra

    Source: geocities.com/thetropics/shores/2640

               ( geocities.com/thetropics/shores)                   ( geocities.com/thetropics)