ZOVY
Biby mora sinambotr'ankizy ô
Bibilava kapohin-jatovo ô
Zovy, zovy
Tsy tongotra re mba hitsipaka
Tsy tanana koa mba hamaly
Ka aoka aho hiandry ny rariny, zovy
Zovy ! Zovy, zovy rahavana
Tsy ditra natao an-dRazoky
Tsy ratsy natao an-dRazandry
Zovy, zovy
Ka dia somparana foana
Volohala nasiana lonjony
Ka aoka aho hiandry ny rariny, zovy
Zovy ! Zovy, zovy rahavana
Idada tsy ho hitako intsony
Ineny ao ambanin'ny tany
Zovy, zovy
'Ty singan'olona irery
Toa resy dia resy hatrany
Hisento anie aho ka hiandry ny rariny, zovy
Zovy ! Zovy, zovy rahavana
Naka RABEMANANTSOA
               (
geocities.com/thetropics/shores)                   (
geocities.com/thetropics)