Frantsa



 

Frantsa reninay malala 
  Mba ho ela velona e 
  Tsy mba hisy mpakahala 
  Na mpisompatra anie ! 
  Fiadanantsy foavetra 
  No irina ho anao 
  Ka ny asanao rehetra 
  Mba ho mpanasoa anao
Frantsa reninay mahery 
Mba handroso laza e 
Ka ny ratsy zay manery 
Tsy ho hitanao anie 
Mba hambinina amin'asa 
Tsy ho very herim-po 
Ka ho halavitin-doza 
Tsy handairan'ny manjo
Frantsa reny zay mitaiza 
Aza azon'tsampona e 
Fa hanako na aiza na aiza 
Zao ny fandrosoam-be 
He ny zanakao rehetra 
Faly ka midera anao 
Dia mihoby tsy terena 
Mba ho voninahitrao