Madagasikara sy Frantsa


Madagasikara tany soa 
Ry fonena-mampimpo tokoa 
Izahay rehetra zanakao 
He mihoby mba ho lazanao 

Ka hobio ry tanindrazanay 
Dia indrio miaraka aminay 
Tsy hisara-mianakavy anie 
Frantsa sy Malagasy e

Ao ny Reny mpanome ny soa 
Frantsa ilay mahery mora koa 
Zay rehetra mahatsara anao 
Tsy lalainy mba ho lazanao 

Fandrosoana fanasoavambe 
Fitondrana mampilamina e 
Hahasoa ny mponina aminao 
Dia atao ny mba ho lazanao

Ref :Tany soa ry tany tia anay 
Mba henoy ny hiranay izao 
Tany soa ry tany maminay 
Mba handroso e ny lazanao